Eto ianao : Fandraisana

Teny fanolorana

Miarahaba anao tonga soa hiaraka hitety sy hizaha ity tranon-kala vaovao ity ny tenako, amin'ny anaran'ny mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny poeta sy mpanoratra Malagasy UPEM-Havatsa sampana Frantsa. Antsoiko hoe fehim-pihavanana izy ity satria ny fihavanana no efa nitaizan'ny Razana  antsika ary mbola ampahatsiahiviny antsika isan'andro raha niteny izy hoe : « Ny misaraka fasika ny miray vato », «Tondro tokana tsy mahazo hao » « Izay mita be tsy lanin'ny mamba » ary indrindra ny hoe « Tao-trano tsy efan'ny irery».
Dia nipetraka ny fanontaniana hoe nahoana no any Madagasikara ihany no saha iasan'ny fikambanana ? Amin'izao taonjato mahamora  ny fifandraisana eran-tany izao  dia rariny sy hitsiny tokoa raha mivoaka ny faritry ny Nosy ny Malagasy mitondra izay mba anjara vatony ho enti-manatevina ity tontolo iaraha-mizara ity... tohiny