Eto ianao : Fandraisana> DadaRabe> AIX

AIX

Rotsa-kerika manify ny eto Aix,
Ny embona manaikitra,
Mahatsiaro anao ry tany mamy,
Any ho any !
Lavitra tsy hita kanefa ao am-po,
Tsy ho lò !

Any i dada sy i neny...fahatsiarovana !
Ka torovana,
Mahatsiaro ny omaly sy ny lasa,
Tsy voasasa
Fa miraondraona ao anaty,
Tsy ho faty !

Ilay tanàna nahalehibe sy nitaiza,
Moa mba aiza ?
Ezahiko akimpy ny masoko ahita
Ny tsy hita,
Odiako toy ny hoe eo anilanao
Ny foko mitalaho.

Rotsa-kerika ho ritra sy ho lany,
Lasana any !
Ka hifoha an-torimaso aho hijery,
Hitafy hery,
Hiatrika ny ady, tampify sy efa raikitra...
...Mangitsy i Aix !

DadaRabe
Aix-en-Provence
26/01/04