AMIKO NY VADY
Amiko ny vady raha tsorina fa tsy afeninadia azoko amborahana ny sarotra tenenina;
amiko ny vady raha sendra ka tsy mirana
dia afaka hampisinda ny zava-manahirana;
amiko ny vady raha malama no irobohana
dia azoko itokiana sy vonona hifanohana;
amiko ny vady raha lavo foana sy misesy
dia afaka hampiarina ho olona mpandresy;
amiko ny vady raha nofidina sy notoavina
dia tokony hahay hanaja ny efa notiavina;
amiko ny vady raha tsy mankasitraka ny atao,
manan-tsaina hanitsy fa tsy avy dia mandao;
amiko ny vady raha tsy mendrika ny hohosena
dia loharanon'ny taranaka no sady volamena;
amiko ny vady raha toa isaorako ny Lanitra
dia azoko inoana fa avy amin'Andriamanitra;
amiko ny vady raha andrandraiko ho hasambarako
dia mazava loatra fa hitondra koa ny anarako.
Fredy JAOFERA