AMIM-PAHARETANA
Nifoha ny AlinaMaraina...
Ranomody angamba?
Aza variana
Raha toa vero taingenam-pody aho,
Tsy folaka fa milefitra...
Ny fitiavanao tsy maty ,
Dia...mipetraka ao anaty,
Misy tsy lalao!
Aoka tsy handramanao,
Fa tsy in-droa ho eto an-tany ianao...!
Mety tsy handao... asakasakao,
Saino ka iaino...
Andry SALOMON