ANTSA HO AN'NY VAHOAKA

Novoriana ianao teny an-kianja
fa hikabary ny mpanjaka
ny masonao mitsopitsopy mampihanja
ny ao anatiko ao mangàka
mitaratry ny vao maraina
nifohazanao malaina

Ary nihaino ianao ka nihaino
ary nihaino fe nihaino
fa tsy takatrao daholo izay voambara
fa miandry ny mpandika hilaza " izao no saino"
dia iny no nafafinao ho Teny Masin'ny Tantara

Nefa aho nitady anao isaka ny manjoretra
nahatsiaro fahangina-mila hanafotra ny aina
ny samonimonim-peo no nandrakotra ahy rehetra
naninteraka am-panahy ka nampitony koa ny saina

Raha nivory ianao naratra notsineboka halavolo
fo arivo no miray ho fon'ny Nosy manontolo
ny bangabanga eny ho eny hay fenoin'ny efa tsy eo
ny haika tankina andrenesana ny fandrisihany tsy am-peo

Hitako ny ranomaso niaro dinitra toa ra
ka nihandrona ho farihy na nikoriana toy ny ony
handemy ny ho avy lao tsy mbola novolena ho saha
tsy mbola noasaina akory nefa toy ny tsy hamony
f'efa rakotra famoizana
hitako toa fantsakana ritra rano tsy hanovozana

Lazainy f'homandavaravina eny raha misikina hitolona
ka manaiky ny hanombinana ny tsirin'aina mamololona
lazainy antsanga tsy aman'orana ny hasambarana antenaina
hitsiry eny an-drantsan'ny ho avin-tsombinaina

Raha mamindra anefa ianao toy ny onja toa samonta
mampihovitra ny fototry ny rindrim-pampisaraka
natsangan'ny mpanolikoly finaritry ny rotarota
te-hizara ny herinao ho pitik'orana miraraka

Hitako ianao nangina ary niara-nitoetra
anoloan'ny fahoriana nihondrika ary koa nivavaka
hitako ianao niravo ka ny molotrao rehetra
taratry ny vao maraina tsy ananam-po miavaka

Ry vahoaka izaho anefa izaho singan-tsy mba teny
raha milona anatinao dia olon-kafa no miteny
ny fandrenesanao ihany no hany saina akopakopako
ny loko telony no tiako ho sombin-damba firakofako

f-x mahah