AO ANATIKO AO IHANY !
Tsy voalazako amin'ny sary'reo tebiteby nampandreraka ;
tsy voadikako raha mba zary
ao anatiko ao tanteraka.
Tsy voalazako amin'ny hira
'Reo efa sedra nandalovana ;
tsy mba haiko, na tsy arira
fa ao am-po torovandrovana.
Tsy voalazako amin'ny teny
Ny ranomaso tsy hay ambara ;
tsy voaborako eto ombieny
fa ao anaty hatrany am-para !
Tsy voalazako amin'ny soratra
'zay alahelo mafy indrindra ;
tsy voavoakako amin'ny ohatra
fa ao am-po ary tsy mifindra .
Fredy JAOFERA