AOLO


Lasa aolo
Ilay tanàna,
Tao ny Ntaolo
No tamàna,
Nierinerina
Fiaina :
'Ndeha haverina
Hiraina !

Izy ihany
No nikolo
Mba tsy ho tany
Lava volo
No ho lova
Mamintsika,
Ka tsy hiova
Na ho riaka
Na atsanga
Tsy hisava
No hitranga
Mba handrava.

Ankehitriny,
Hoy ianao,
Dia ny tsiny
Sisa ao :

Alahelo,
Ratram-po
Ary avelo
Sy ambiroa !

Ny taranaka
Tsy heno
Dia nihanaka
Nameno
Renivohitra
Tsy hita;
Na nirohotra
Any am-pita.


Any misy
Zanatsika
Izay indrisy
Mangatsiaka
Tsy kitay
Vary maina,
Indraindray
Mikonaina !
Fa vahoaka
" Mampanahy ! " ...
Na mpitsaoka
Ireo vazaha !

Misy indray
Moa nahavita
Sy mahay
"Tafita",
Saingy antsoina
Tsy re feo
Mba hanohana
An'ireo
Famafazana
Molaly
Ilay ngazana
" Tsy omaly ".

... Mbola aolo
Ilay tanàna
Tao ny Ntaolo
No tamàna !


Toetra RAJA
23 novambra 2004