AREHITRO...
Arehitro ny afoko eto amoron'ny harivaArehitro hanazava ny alina ho tamy
Handrakotra sahady ny lalana etsy aniva
Izay ho diavinao mbola any ambadika any
Arehitro ny afo kanefa tsy ahatohitra
ilay afoko ato anaty nitanika fitia
ary tsy ho tolan'ny ali-mitotohitra
sy rivotra mpisoso hamingana ny dia
Arehitro ny afo sao mba hanafana
Ny fo anatinao mangovi-pahoriana
Fa nilaozan-tiana nirinton-tsy tamana
Arehitro ny afo hiarahana mitanina
Ho fototra hiorenan'ny kalo nikoriana
nandrotsy ny fahiny raha sendra izy manina
Angamba ho tsapanao mazava sy miavaka
Ilay fidonadonaky ny sentoko mimaona
Toy irony setroka miantsy ny habakabaka
Efa resy taratry ny alina misaona.
f-x mahah
08/12/2004