ATAOKO TOY NY HOE...
Ataoko toy ny hoe lasa ny ora niarahantsika,Ataoko toy ny zahatra nidify teny am-pita,
Ataoko toy ny fefy tsy azo intsony hihoarana,
Ataoko toy ny lalana nanjary toa fiakarana.
Ataoko toy ny taona tsy hiverina intsony,
Ataoko toy ny hazo nitsahatra namony,
Ataoko toy ny rano niraraka an-tany,
Ataoko toy ny vorona nisidina any ho any.
Ataoko toy ny lamba nitriatra sy efa tola,
Ataoko toy ny hanina 'zay efa bobongolo,
Ataoko toy ny vato nisaraka tsy hitohy,
Ataoko toy ny very, tsy hita sy nafoy.
Ataoko toy ny hoe tsy hisy intsony ny andro,
Ataoko toy ny haizina fa lavitra masoandro,
Ataoko toy ny hoe lasa kanefa anatiko any...
Ataoko toy ny hoe... kanefa anie tsy izany!
DadaRabe
Marseille
04/01/02