AVONAVONA
|
Avonavona Havan-tiana Moa hanjavona Rahoviana ? Fa nahoana Izato olona No moana Miolonolona, Mivindavinda Tava Tsy hisinda Efa ho lava ? Izy izany ... Ary ny hafa ? Lozan-tany Mampijafa ! Eny an-tsena, Arabe Moa tsy trena No fandre ? Tsy mangataka Ny tena Dia voahataka Onena ; Manakora Aviavy Tsy tanora Tsy anti-bavy ! Loza izany Raha tontolo, Ny hamevàny Bobongolo ! |
Gasikara Ve ny tany Voambara Eto izany ? Nosintsika Izy io Mibaliaka Tadidio ... Saingy ny olona Indrisy Raha mitolona Dia vitsy No mba zatra Fo mandroatra, Izay mandratra Mampitroatra ! Fahantrana Ve mandroaka Fanajana Ry vahoaka ? Misy havana Any am-pita Izay mitavana Amin'ny vita : Vatolampy Tsy mikoro Efa ampy Hampijoro. Ao anefa Ireo miavona Milefa Sy manjavona Raha tamy Iny ianao Manontany Vaovao ! |
Aiza re Ilay tsikitsiky No fihomehy Mahadikidiky No nasolo Ka manosy Ny tontolon' Ilay nosy ? Aiza moa Ny teny mamy Mahasoa Mpanontany ? Avona eto Sy eroa Mampisento Raha manjo. Fa ny fo Mila tony No mpamoa Lonilony ; Mila sasa F'indraindray Dia miasa Mahamay. Mba tafio Fahendrena Fo madio Ny firenena ! Toetra RAJA 31 janoary 2005 |