ERITRERITRA
(Notakarina tamin'ilay sombin-tantara nosoratan'andriamatoa
RABARY mpitandrina mitondra ny lohateny hoe :
Tany tsy misy an'Andriamanitra)
Aza manody izany hoe Tany
Ka tsy hisy an'Andriamanitra
Fa ho korontan-dava hatrany
Tsy hisy akory marimaritra
Mety hitondra fifaliana
Fa fanjakan'i Baroa
Zary tobim-pahoriana
Samy maka ho azy avokoa.
Ny zava-boahary izay jinery
Tsy misy manaraka lalàna
Fa mivaona sy miari-pery
Zara tsy azony ialana
Ny rindran-damina dia nofy
Tany tsy misy an'Andriamanitra
Maty fahavelona sy farofy
Ka aiza re Ianao ry Lanitra ?
Antsiva