F-X. MAHAH

IZA MOA I F-X. MAHAH ?...

f-x. mahah dia ilay mpanoratra mpikalo, mpitondra ny tenin'ny mpiara-belona takatra avy amin'ny fanahy any anaty tononkira, izy ihany koa ilay mpanao sary hosodoko manoritra ny taza-maso any amin'ny Nosy Madagasikara. Fa RAZAFIMAHATRATRA François-Xavier no tena anarany. Teraka ny 31 Janoary 1946 tao Ambohimanarina (Antehiroka) Antananarivo izy ary RAZAFIMAHATRATRA sy RAZANADRAIBE (samy efa maty) no masoandro amam-bolany. Manana rahalahy telo izy (ny iray no efa lasa any amin'ny varo-tsy-mifody) ary tokana ny anabaviny.

Nianatra tao amin'ny Ecole des Frères Anosisoa Ambohimanarina izy, avy eo dia tao amin'ny Kolejy Masina Misely Amparibe (Jésuite), ary tao amin'ny Collège IEC no nahazoany ny bakalaorea. Nanohy ny fianarany teny amin'ny anjerimanontolo izy, nanao Lettres Modernes sy Lettres Malagasy tao Antananarivo ihany, Oniversiten'I Madagasikara (1968-1970). Nandritra izany fotoana izany koa no nirosoany teo amin'ny asa naha €“Direkteran'ny Collège de la Mission Protestante azy tao Ambohidroa. Oktobra 1970: nandray ny vorom-by hita ny ranomasina ka tonga tao Paris f-x. mahah. Nanohy fianarana tao ka nahazo « Diplôme de l'Ecole des Hautes Etudes en Sciences sociales » izy ny taona 1978.

1972: nivoaka ny amboaran-tononkalony voalohany : "Esquisses Marines", Edition J. Millas-Martin, amin'ny teny frantsay. Io taon-tsambatra io koa no nampakarany ny vadiny tao amin'ny Fiangonan'Anosivavaka Ambohimanarina, ary herin-taona taty aoriana dia teraka i Hanta zanak'izy ireo vavy.
Ny amboara manaraka dia nivoaka ny taona 1978: "Contrexil" tao amin'ny Edition José Millas-Martin ihany; ary ny "Sang d'Ombre", EDITINTER, no vao natolony ny mpamaky tamin'ny 2004. Io farany io moa izay misy ny Teny Mialoha nataon'Atoa Jacques RABEMANANJARA dia efa nanaovan'Atoa Henri RAHAINGOSON fandalinana sy tapatapakahitra teo anoloan'ny Akademiam-pirenena Malagasy tamin'ny volana martsa 2005.
Manoratra amin'ny teny malagasy koa i f-x. mahah na dia mbola tsy namoaka boky amin'ny fitenin-drazana aza ary betsaka amin'ireo asasorany no nivoaka tamin'ny gazety maro tany Madagasikara (Gazety Hehy, Vaovao, Antson'ny Nosy, Hita sy Re, Fampitaha, Ambario, Valiha...) Niara-namoaka ny boky "Santa-Bokatra" (Aprily 2005) tamin'ireo mpikambana folo mpanorina ny sampan'ny HAVATSA-UPEM aty Frantsa koa izy izay Filohan'ny fikambanana rahateo.

Nomen'Andriamanitra talenta hafa koa anefa ny lehilahy, fa sady mpanoratra no mpanao hosodoko. Hoy mantsy i Ener Lalandy (1918-2005) : "Ny mpanoratra literatiora mahay indrindra dia izay mahay mampiverina ao amin'ny fieritreretan'ilay mihaino na mamaky ny lahatsorany ny sarin-javatra tantaraina eo amin'ny fizotrany rehetra (...)" "Ary izany no maha-iray lalana ny soratra sy ny sary (peinture) eo amin'ny "arts" ". Izany tokoa angaha fa dia isan'ireo mpanoratra toa an-dry RADO sy DOX izay nampiray lalana teny ny asa fanoratana sy ny fandokoana sary izy. Nandray anjara tamin'ny fampirantiana nokarakarain'ny Association Littéraire et Artistique France-Madagascar izy tamin'ny 1976; nanao fampirantiana mitokana koa: "30 paysages de Madagascar" tao amin'ny Galerie Racine, Paris 6è , tamin'ny 2002. Naranty tao amin'ny Tranon'ny Masoivohom-pirenena Malagasy eo anivon'ny UNESCO (Paris 8è) koa ny asa sariny nanomboka ny 30 aprily 2005 ary naharitra herinandro maro tao, io moa dia daty nandraisana tamin'ny fomba ofisialy ny UPEM-HAVATSA Sampana Frantsa, hetsika noahian'ny Masoivohom-pirenena eo anivon'ny UNESCO S. E. Mme RABETAFIKA RANJEVA, ary notronin'ny Filohan'ny HAVATSA-UPEM Foibe avy any Madagasikara, Atoa RAHAINGOSON Henri.

Araka izany dia tsy mitsahatra mandroso sy mihalalina kokoa hatrany ny fitiavan'i f-x. mahah ny Teny Malagasy, fa tsy izany ihany satria tsy mametra ny aingam-panahiny tsy hivoaka amin'ny teny iray ihany izy. Tsapa amin'ireo bokiny telo efa nivoaka ny fitohizan'ny lalany sy ny heviny, tsy voafehin'ny fotoana ilay "rivotra" mitsoka ao anatin'ny tononkalony izay azy manokana ary tsy sarotra amboloina. Hoy mantsy izy :


"Izaho hono tsy mikalo ny fikalon'ny rehetra

fa mihitsoka ao an-dalin'ny fitia mamelovelo

izaho hono tsy mba miady hanohitra ny herisetra

fa toa resy ambony ihany efa isan'ny avelo



Raha ekeny anie ny Nosy fa ianao lalainy ihany

no kaloiko ho hany tiako amin'ny endri-tsamihafa

antsoiko Noro na Sahondra ka zahako hatrany hatrany

angamba izy tsy hanakiana ny fomba entiko mitafa"




f-x.mahah, "Izaho hono..."


Mihira sy mahatakatra ny ao am-pon'ireo lavi-tiana sy lavi-tany ny hirany, miteny ho azy ireo ary indrindra mambosaka ny fitiavany ny Nosiny, amin'ny endriny rehetra. Toa mifanjohy dia mifanohitra, mifampiantso dia mifandao, mifampitopy dia mifangarika, toy ny mpifankatia tsy mifamboraka ny soritry ny fony ny mpanoratra. Nefa dia mifameno sy mifanohina toa vatosoa kanto ary tody any amin'ny mpamaky izay rohizany ilay fihetseham-po ihany koa. Miendrika ny lalaon'ny alon-dranomasina eny amoron-tsiraka izay diavin'ny nofinofy tsy mitsahatra mametra-panontaniana, mandra-pahatapitrin'ny làlana. "Esquisses Marines".
Làlana diavin'ny alina ao amin'ny "Contrexil": endriky ny alina, alahelo, hatsaran-tarehy, haizina, nofy, fasana...manomboka eo amin'ny maizimbavavilany ialohavan'ny mody masoandro ka mandra-manenoakoho. Alina misy ny nofy ianohan'ny fanantenana; alina an-tanin'olona anivon'ny kintana mihilontrilona tsy mahatakatra ny ahiahy...ahiahin'ny Tany mahantra izay mba te-haneho ny hareny koa, harena hafa, mamiratra avy ao anaty.
Nefa koa làlana ahatsinjovana soritra efa manako any ho any, ao amin'ny "Sang d'Ombre": mitady ny aina lalin'ny faka nipoirana, ny fitiavana mahery vaika ny Tanindrazana. Mifanovo erany ny hanina sy ny fahadisoam-panantenana, ny afom-pitia mijoalajola sy ny fanahy mirenireny mangaihay tsy misy amaharana. Toy ny sesintany setrin'ny fihoarana ny ranomasina, sesintanim-pitia mandoro sy mamaivay.




Talenta voakolo, asa soratra voakaly

Olona tia mikaroka ary olon'ny "Hatsarantarehy" i f-x. mahah, tsinjo eo amin'ny sariny izany fa hita eo amin'ny sorany koa. Ny voambolana ampiasainy dia voafantina tokoa ary nosafidiany mihitsy ny hamelona teny malagasy efa tsy fahita firy mba hamelona azy ireny indray. Manan-karena rahateo ny tenintsika ka tsy mena-mitaha amin'ny hafa hanehoana ny hevitra. Matetika moa no miteny izy hoe : "Tononkalo vokatry ny saina, fa tsy vokatry ny fo" no soratany, nefa aingam-panahy lalina novetsoin'ny fo tokoa saingy narindran'ny saina ho kanto.

Mampanan-karena ary mampivoatra ny asa soratra ny fifanakalozana haren-tsaina. Nifandray sy nifanakalo hevitra tamin'ny mpanoratra Malagasy maro izy, toa an-dry Célestin ANDRIAMANANTENA, RADO, Ener LALANDY, G.R.G., J. Nalisoa RAVALITERA, ary tamin'ny taona 1994 no nidirany ho mpikambana U.P.E.M tany Madagasikara. Tamin'ny 1995 dia nihaona tamin'Atoa Jacques RABEMANANJARA izy, izay tsy zoviana amintsika intsony fa poeta handrarezina sy olo-mangam-pirenena, hanao ny teny mialohan'ny boky "Sang d'Ombre" moa Andriamatoa aty aoriana. Tamin'ny taona 1998, raha nanao fikarohana tany Madagasikara momba an'i Samuel RATANY izy dia niara-dia tamin'i DI...na Henri RAHAINGOSON tamin'ny fandalinana ny teny sy haisoratra malagasy.
Nianatra sy nikaroka momba ny Teny Malagasy koa izy ary nahazo D.E.A. Civilisation Malgache "Samuel RATANY: tradition ancienne et sensibilité moderne" tao amin'ny INALCO (Institut National des Langues et Cultures Orientales), tamin'ny 1999.

« Anisan'ny mampivelatra ary tena ilaina koa ny mamaky ny asa soratry ny hafa, ilaina ny mamaky boky isan'andro isan'andro » hoy ihany izy taminay raha avy nivory izahay in-dray asabotsy ka niandry fiaran-dalamby hody. Izany tokoa no isan'ny maha-avo lenta ny asa sorany satria hita fa nokolokoloiny ilay talenta : mpankafy mamaky boky i f-x. mahah ary raha nanontanianay izy hoe iza avy no mpanoratra ankafiziny dia hoy izy namaly : "Ny mpanoratra tiako ? Ahiako fa tsy ho ampy ity pejy ity ! Maro ny mpanoratra tiako. Miova ve ny fitiavana sa miampy ?" Dia ireto avy izany : DOX, Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina, Rado, Le Myosotis, ets... fa ao koa ireo mpanoratra vahiny : Ronsard, Lamartine, Victor Hugo, Verlaine, Baudelaire, Aragon, St-John Perse, ets... amin'ny Frantsay; T.S. Elliot, Yeats, W. Shakespeare amin'ny Anglisy ; Senghor, Tchikaya U'Tamsi amin'ny Afrikana ; Chevchenko (Rosiana) ; Tagore (Indiana) ; Walt Whitman, William Carlos, Williams amin'ny amerikana, Octavio Paz (Mekisikana), Pablo Neruda (Siliana), ets..
Raha tany am-boalohany no nanaitra ny fony ny poety romantika izay voasinton'ny fitiavana sy ny fientanan'ny fo, indrindra ny ankamaroan'ny poety Malagasy tany amin'ny taona 1960 ka hatramin'ny 1968 teo ho eo, taty aoriana kosa dia nisarika ny eritreriny koa ireo poety manoratra tononkalo vokatry ny saina toa an-dry Randza Zanamihoatra, Guillevic, Yves Bonnefoy.
"Tsy misy karazam-boky tsy tiako. Rehefa boky dia mitondra fianarana ho an'ny mpamaky azy avokoa, na izay boky lazaina fa ratsy soratra indrindra aza." hoy izy namarana azy.
Samy nitondra tsimoka kely hampanan-karena ny asa sorany avokoa ireny mpanoratra notiaviny ireny. Tsy misy lasitra tokana itoeran'ny tononkalony fa maro fomba sy loko ny fanorenany azy. Nomarihiny fa samy manana ny maha-izy azy avokoa ny "style" rehetra na romantika, na kilasika, na simbolista na sorealista. Ny mpandalina no mampiditra ny poety ao amin'ny lasitra iray, fa raha ny tena marina dia misy poety lazaina fa simbolista nefa manana tononkalo toy ny nosoratan'ny romantika.




Eo amin'ny Literatiora Malagasy

Ankoatra ny onjam-peo sy ny fahitalavitra izay efa nampivahiny azy dia nandray anjara tamin'ny hetsika maro manandratra ny Literatiora Malagasy i f-x. mahah :
- 1976. Emission à l'ORTF avec Edouard Maunick sur le sens de la fête dans l'Océan indien.
- 1978. Conférence à Lille sur Madagascar organisée par l'Union internationale des Etudiants
- 2004. Conférence, Langues'O, CEROI-GRELLO-INALCO « 150 ans de littérature à Madagascar, Regards croisés ». Lohahevitra nandraisany anjara : « Le thème de l'exil dans la littérature malgache »
- 2005, 13 Mai. Journée d'études, CEROI-GRELLO-INALCO, « Littératures modernes de langues africaines / Problèmes et enjeux d'une dynamique littéraire ». Lohahevitra nandraisany anjara : « De la recherche des valeurs perdues à la création de l'Union des Poètes et Ecrivains Malgaches (U.P.E.M.) »


Maro koa ny asa soratra fandalinana sy tononkalo amin'ny Teny Frantsay izay mivoaka an-gazety sy amin'ny revio samihafa aty ivelany, ohatra amin'ny Sentier, Dire, Le Fer à Moulin (Université Paris III), Cris d'Os, Friches, Poésie sur Seine, Couleur d'Outre-Mer. Karazan'izay ireto:
- Images de Madagascar à travers la littérature malgache d'expression française Lettre mensuelle sur Madagascar (1994)
- Panorama de la peinture malgache Lettre mensuelle sur Madagascar (1994)
- Quelques aspects de la poésie traditionnelle malgache : le hain-teny (1999)
- Jacques Rabemananjara (Parcours d'une vie et d'une œuvre), Cris d'Os (1999)
- Lamba ou le mystère de la création poétique( friches 1999)
- La nostalgie dans la poésie malgache, Cri d'os (2002)
- Rado ou l'espoir de la liberté, Poésie sur Seine (2002)
- Traduction : Dox Rado Rabearivelo dans Couleur d'Outre-mer


Anisan'ireo nanorina ny U.P.E.M.-HAVATSA Sampana Frantsa izy ny taona 2004 ary nofidian'ny mpikambana ho Filoha. Zava-dehibe no nitsanganan'io fikambanana io satria ny tanjony dia ny fampahafantarana sy fanandratana ny Teny Malagasy sy ny haisoratra malagasy any ivelan'i Madagasikara.




Avy ao anaty, avy eny ivelany

Ny fialam-boly tiany dia ny vaky boky sy ny manao sary hosodoko (izay maneho avokoa ny sarin'ny tany taka-maso malagasy)

Andriamatoa f-x. mahah moa dia olona tsy dia be teny izay, sarotsaro-kenatra ve sa tia ny irery toy ny mpandinika ? Asa... fa malefaka izy, tsy mba mora misafoaka, toa manam-paharetana raha jerena ivelany anefa tsy tia mampilona ela ny raharaha tokony ho vita faingana ary vita tsara, noho izany haingam-piasa.
Na dia eo aza ny fihenjihenjena ao anatin'ny fivezivezem-panahy ateraky ny sesin-tany dia ity teniny iray ity no mambango azy tokana, ahasoloany teny Malagasy maro aty an-tany lavitra izay mivelona amin'ny fitiavana an'i Madagasikara :

« (...) Ny tady mamatotra ahy amin'i Madagasikara dia ny fahatsapako ao anaty. Ny elanelan-tany tsy mahatapaka tanteraka io fatorana io. Na ny asasoratro na ny hosodokoko dia tsy manana lohahevitra hafa afa-tsy ny Nosy nahalatsahan'ny tavoniko, fa amiko dia Tokana ny Tanindrazana »

F-X. MAHAH



Izany ary ny mombamomba ny mpanoratra f-x. mahah araka ny fahalalanay azy, fa indro omena anao ho mamy fanampin'ny telina, ampahan'ny resadresaka nifanaovanay taminy mba igohanao mivantana ny teny avy aminy izay andraisanao ny hafatra napetrany ho anao.

Sitraka e !





Hanitr'Ony : Inona, raha ny hevitrao, no andraikitry ny mpanoratra eo amin'ny fiaraha-monina, misy fiantraikany amin'ny fiainany ankapobeny ve
izany?

f-x. mahah : Manana andraikitra amin'ny mpiara-belona aminy ny olona tsirairay. Hoy ny Ntaolo hoe voin-kava-mahatratra. Ny soratry ny poety dia taratr'izay niainany na niainan'ny mpiara-belona aminy ka nanohina azy. Misy ny poety tena miditra an-tsehatra ka sahy misetra ny voina mba hampiharihary ny tsy rariny hitan'ny masony. Hita izany amin'ny poety rosiana sy ny poety sinoa indrindra. Kanefa raha ny eto amintsika dia misy ireo tsy natahotra nisedra figadrana noho ny hevitra nentiny. Nanoratra lahatsoratra fohy mikasika an'i RADO aho ary izy angamba no antsoiko indrindra hoe poety miady na poète engagé amin'ny teny frantsay. Ny ankamaroan'ny tononkalony dia maneho izay zakain'ny mpiara-belona aminy eo amin'ny fiainana an-davanandro. Ary azo lazaina fa mitondra fampaherezana koa izy. Fandrisihana tsy ho lavo lefona fa hitraka hatrany. Toy ny tononkalon-dry Ny Avana, ry Ratsimiseta, Rodlish ets.. Ny mahasamihafa azy dia mivantana ny tenin'i RADO. Tsy misy miolikolika. Tamin'ny andron'Ny Avana dia sarintsarin-teny no nentiny nilaza ny zava-tsapany. Raha fintiniko dia mila mpanoratra indrindra poety ny firenena rehetra. Mpitantatana hoy ny olona sasany, mpanoro lalana. Amiko izy dia feon'ny vahoaka tratry ny tsindry hazo lena. Teo amin'ny taona 1968 sy 1970 dia betsaka ireo poety tanora no nanoratra tononkalo miady kanefa dia tsy latsaka anaty ny ankamaroany. Tsy nanaraka io lalana io loatra aza ary nisy aza tamin'ireo niara-nihira tamiko nanakiana ny fomba fanoratro.


H. O.
: Misy manavanana anao kokoa ve ny Teny anoratana (frantsay,
malagasy, bantou, anglisy...)

f-x. m. : Teny am-piandohana na dia nalaim-panahy hatrany hanoratra tamin'ny teny frantsay aza aho dia tsy tafitako tanteraka izay tiako ho lazaina sady koa ady rima no nanintona ahy tamin'ny tononkalo frantsay ka tsy nahafapo mihitsy. Taty aoriana anefa nony tsy nanery tena hanoratra tononkalo mirima intsony aho dia nandeha moramora ny fanoratana. Tsy misy intsony ny hoe manavanana na tsia. Tsy misy fifidianana izay teny ho enti-manoratra fa tonga ho azy. Toa ny tononkalo no mifidy ny teny ho entina manoratra azy. Raha ny teny anglisy dia tsy nanoratra tamin'io teny io aho fa nandika kosa tononkalo vitsivitsy ho amin'ny teny malagasy.


H.O.: Inona no zavatra tianao?

f-x. m. : Ny tiako araka ny efa navaliko ny fanontaniana voalohany dia mamaky boky. Tsy latsaky ny boky roa na telo isan-kerinandro no mandalo ny masoko. Io no tena fandanian'androko. Indraindray na boky tsy tiako aza dia vitaiko hatramin'ny farany rehefa novidiko. Araka ny efa nolazaiko fa na boky tsy manahoana loatra aza dia mitondra fianarana ihany. Ny tena fianarana azo aminy dia ny hialana amin'ny tsy mety ao anatiny. Ankoatr'izany dia ny manao hosodoko koa no famenoako ny fotoanako. Dia ny mitsangatsangana na dia tsy manana fotoana be loatra amin'izany aho.


H.O.: Inona no tsy tianao?

f-x. m. : Ny tsy tiako dia ny fiatsaram-belatsihy, ny fanaovana tsindrio fa lavo, ny fieboeboana.


H.O.
: Inona ny laoka tianao indrindra?

f-x. m.
: Tia manao lakozia aho. Nefa tsy azo lazaina hoe olona mazoto omana. Na dia tsy fantatro aza ny hena nanaovana azy marina dia ny masikita no tiako toy ny kitoza.


H.O.: Maniry te-hody sy hiverina any Madagasikara ve ianao ?

f-x. m. : Ny hoe maniry dia maniry tokoa fa ny olana dia ny hoe afaka sa tsia. Manana fotoana sa tsia. Nisy fotoana tsy nampaharisika ahy hody satria tsy nizara ny fomba fitondrana aho. Taty aoriana dia nony nodimandry ny Ray aman-dReninay dia toa tsaroako fa tsy misy miandry ahy intsony any. Ilaina anefa raha te-hanoratra momba ny Tanindrazana sy ho an'ny Malagasy ny misaika any matetika. Raha nandalo tany Madagasika aho tamin'ny 1998 sy 2000 dia sary maro no nentiko avy any ary nanampy ahy tamin'ny fanoratana sy tamin'ny hosodoko. Azo lazaina ihany koa fa nanova ny fomba fanoratro.
Nandritra ny telopolo taona niainako taty dia ny fahatsiarovan'ny hatanorana no tena namelona ny aingam-panahiko, niampy ny sary hitako maneho an'i Madagasikara. Ny tady mamatotra ahy amin'i Madagasikara dia ny fahatsapako ao anaty. Ny elanelan-tany tsy maha-tapaka tanteraka io fatorana io. Na ny asa-soratro na ny hosodokoko dia tsy manana lohahevitra hafa afa-tsy ny Nosy nahalatsahan'ny tavoniko, fa amiko dia Tokana ny Tanindrazana.


H.O.
: Inona ny hafatra tianao hapetraka ho an'ny mpamaky?

f-x. m.
: Tsy mba mpanome torohevitra aho. Heveriko fa izay heverin'ny tsirairay ho rariny sy hitsiny ihany no tokony ho arahiny. Raha ny mpamaky no anipazako teny dia hoy aho hoe ataovy voankazo an'ala ka ny mamy atelemo ary ny mangidy aloavy. Tsy misy tonga lafatra izay ataon'ny olombelona. Indraindray anefa teny iray monja ao amin'ny tononkalo na boky dia mety hanova ny fiainana manontolo. Raha mamaky ny fandikan'ny mpamaky sasany ny tononkaloko aho dia tsy miady hevitra fa izany no hitany tao ary marina aminy ka tsy manozongozona ny finoany aho na dia tsy zaraiko tanteraka aza. Sarotra hoy ny sasany ny tononkaloko. Ny tena marina dia tsy mifanena amin'ny ankamaroan'olona angamba izy. Manjohy làlana tsy fizoran'ny olona. Tsy natao ho an'ny fo ihany fa natao ho an'ny fieritreretana koa.


H.O. : Ary ho an'ny Tanora hoavin'ny firenena?

f-x. m.
: Manantena fotsiny aho fa tsy ho voatariky ny rendrarendra toy ny tanora amin'ny firenena mandroso ny tanora Malagasy ary koa tsy hiataka amin'ny famakiam-boky. Izany koa anefa dia midika hoe tsy maintsy misy ny boky ho vakiny ary ho azony atao ny mividy azy.



Dia mamerina ny fisaorana indrindra an'Atoa f-x. mahah na RAZAFIMAHATRATRA Francois-Xavier namaly ireo fanontaniana napetrakay taminy. Inty ary tononkalony iray hataonao tsindrintsakafon-tsaina amam-panahy.

Manao ny mandra-panoratra finaritra ho anareo indray i Hanitr'Ony!



AREHITRO...

Arehitro ny afoko eto amoron'ny hariva
Arehitro hanazava ny alina ho tamy
Handrakotra sahady ny lalana etsy aniva
Izay ho diavinao mbola any ambadika any

Arehitro ny afo kanefa tsy ahatohitra
ilay afoko ato anaty nitanika fitia
ary tsy ho tolan'ny ali-mitotohitra
sy rivotra mpisoso hamingana ny dia

Arehitro ny afo sao mba hanafana
Ny fo anatinao mangovi-pahoriana
Fa nilaozan-tiana nirinto-tsy tamana
Arehitro ny afo hiarahana mitanina
Ho fototra hiorenan'ny kalo nikoriana
nandrotsy ny fahiny raha sendra izy manina

Angamba ho tsapanao mazava sy miavaka
Ilay fidonadonaky ny sentoko mimaona
Toy irony setroka miantsy ny habakabaka
Efa resy taratry ny alina misaona.

f-x mahah
08/12/2004