FA NIASA NY FANAHY
Fa niasa ny Fanahy ka nisy ireo nanolo-tena,
Namaly ny antso ka nandeha hitory ny Filazantsara.
Na tao ny karazam-pitsapana, tsy niviona na nivena
Fa nijoro ho vavolombelona ka nitory, nanambara.
Fa niasa ny Fanahy ka tsy ela nisy ny sekoly
Izay natao hampandroso ny tany sy ny firenena ;
Ary indrindra indrindra koa vita pirinty ny Baiboly,
Dia ny Tenin'Andriamanitra maneho ny Asam-pamonjena.
Fa niasa ny Fanahy ka maro ireo niova fo
Nanary an-dry Ikelimalaza, nanolotena ho an'i Jesoa
Ka nanjary fiasana sy fanasina ihany koa,
Hampahavokatra ny tany, hanazava sy hanasoa.
Fa niasa ny Fanahy ary mbola miasa hatrany
Eto amin'izao tontolo izao izay tanimbarin-Janahary.
Fahariana vaovao : izay no tanjony amin'izany
Ho fanasitranana ihany koa izato tany mbola marary.
Frantsa, 21 jiona 2005
Antsiva