Fahatsiarovan-tena






Ny an'ny olona kajiny ary tiany ho kanto hatrany

Izay mivava toa ho rava dia tohanany hijoro

Mba ho vaovao indray ka mahazendana aok'izany

fa mihantsy ny fotoana 'zay tia manorotoro



Ny antsika kosa indrisy ny hany mba navelan-drazana

Ary eken'ny Tontolo fa harena soa sy mendrika

Potipotika sy dotra fa naongan-tsy ho tazana

Ary ho levona doria toy ny vakin-tsambo rendrika



Ny an'ny olona mijoro hitantara ny fahiny

Ny antsika indray ravana hikosehana ny lasa

Ny an'ny olona ny misy dia endre ankamamiany

Ny antsika ifandrafiana toy ny heloka mandatsa.



Inona àry n'ho tahiry raha izay misy dia simbana

Toy ny zaza raha miady dia ravana izay natao

Ho forohona no sisa hipetraka hifandovana

Ary vovoka mandrevo no mba solon-kilalao.



Inona no holazain'ny taranaka any aoriana

Raha mody vovoka isika ka indro izy hanontany

Mba nankaiza ny tety no tsy nisy nohariana

Ho porofon'ny fisiany fony izy teto an-tany





Melun 14/08/2005

f-x mahah