FANANTENANA

Tsy haiko intsony inona no nisy teto naravon'ny tamboho niletsy
S'itsy hady miha-tototra toa fery mangotana mbola te-hipololotra
rà tsy mainan'ny fotoana ary hiaka tsy tafita hanasaraka ny molotra
zary hanina makiana d'indro ahodina ny maso inona no nisy tetsy

Inona ny tany haolo sy ny hasim-pahanginana isalorany maraina
mitambezo fitoniana ka namakivaky irery itony sahan'ny fahiny
ary mbola hita indray misary zoro takariva ao an-tsaiko savolaina
toy ny aloka mandalo toy ny nofy manontany ny fijery ankehitriny

Inona no tiako etoana ka manintona fanahy hanontany ny andro lasa
hanontany rindrim-baky ahitra sy boza-maina ary vorona mikalo
ny fahanginana miantsa feon-kira tsy haiko intsony sa ny teny mitanisa
ny tantaran'ny omaly eo imolotry ny avelo voasaringom-po nandalo

Tsy haiko intsony inona no nisy teto ka nahisatry ny ora mpanangoly
any ambadiky ny lasana any ho any ka tsy hita etoana akory hikitrana
ho taolam-balo hanambara fa nisy rantsa-niangaly ary tanana namboly
ny amontan'ny ho avy ho alokaloky ny andro mba ho fivoaram-bintana

N'aiza n'aiza anefa aleha raha mbola tany mena koa no diavim-paladia
Mifanjevo ny fahiny nizakan'ny mpiady vokovokon'olon-dresy sy ny andro
manoloana mbola ilanjana saona ny ampitso toa manomana onjam-potaka maria
nefa atrakako ny loha ary satriko hanantena fa mbola hiseho ny masoandro.

f-x mahah