FANIRIANA
Mahazo tsiny ve aho satria MalagasyTia tanindrazana fa tsy mahay teny gasy
Teny vahiny no nianarana ny abidy
Tsy afa-nanoatra, tsy nanan-tsafidy
Ny fo mientanentana ho mpikambana havatsa
Tononkalo iray na roa no mba kely ao am-bata
Mankafy sangan'asan'ny mpiray tanindrazana
Maniry ny hampiasa ilay tenin-drazana
Rajaonarivelo Sandrine Lalatiana
19/20 Oktobra 2004