Fifandisoana

FIFANDISOANA

Haninona eto ry mpandalo miatrika ny ranomasina
hioty poti-nofy tonga am-bolonkoton'onja rava
sa hanihika tsiaro mbola revon'ny fahiny
ka misarisary zoro eny an-toera-mihasinkasina
iantefan'ny alom-potsy miherika alina ho lava
handevenan-tambin-tsiny ?...

Halina ny rotsy teto nitsimpona angamenavava
nandrara-kintana matoy ho firavaky ny tany
ka namiratra tsy satry ny aloky ny fo voafefy
anikeheo ny nofy teto nametra vohitra nivava
d'ilay rovan'ny omaly tsy ho henika intsony
ny eritreritra efa lefy !...

Haninona eto ry mpandalo te-ho renoky ny tory
an-topatopan-drano loatra miantsampy ny malama
raha fisaina-mitadidy ora kanto nampahory
ilaozy ny eto ka mangina any an-kafa re sasana
ny ferin-dratra mangotana mikiky ny herinao malia
ry mpandalo 'ndeha modia !...

f-x mahah