FISARAHANA

Atolotro an'i LE MYOSOTIS

Ato am-poko ny maraina no mikalo anao tsy tonga
Sy mamerina ora lasa hanitra efa nohadinoina
Ka ny feoko sasa-miantso ny any am-badiky ny bonga
Farina alahelo izao fa tsy nisy mba nanoina.

Nefa hangina ny tontolo ka hikombona ao an-tsaiko
Moa hatory ny mahory sa hitsaha-mitomany
Ny valiha akora lava izay notiavinao ry aiko
Tsy navelan'ny tsiahy fa nataony fanontany.

Aiza loatra ny voahary hivelomako am-panahy
Hikaloko fisarahana efa te-hanaloka ahy
Mba ho tsantan'ny fitiako nikarohako hazavana ?

Ny masoandro voninkazo ny rehetra tiako loko
Ny voronkely tiako feo nilazako anao mazàna
E ! mangina ka ny lasa no mandrakotra ny foko.

f-x mahah