FISARAHANA ETO AN-TANY
Raha misaraka ny tena,
Noho ny elanelan-tany,
Dia ny fo tsy hay fefena
No mamelon-tsento hatrany.
Raha mamoy izany maso,
Noho ny elanelan-tany,
Dia ilay fotoana no andraso,
Izaho koa mahatsiaro hatrany.
Raha tsy hifankahita
Noho ny elanelan-tany,
Taratasy miampita
Ireo vetsovetso sesilany.
Raha tia ka tomany
Noho ny elanelan-tany,
Mionòna fa izany
No fiainana eto an-tany.
Veloma sy masìna
Ry malala tena tiana;
Hany hafatro vimbino :
Dia ny aza manadino.
Veloma ka aza manadino
Ry raozy endriky ny saha;
Ny foko tano sy fihino
Ho varo-maty tsy hivaha.
Dia veloma ka manantena,
Manantena volamena,
Volamenam-panekena,
Fanekena tsy terena.
LAL-AINA