FITIA NIVAKININA


Fitiavako anao, fitia nivakinina,
Mangidy manasitrana ny ratrako ririnina,
Hila tsy ho telina kanefa manome
Ilay tena fiadanana sy fifaliam-be !

Fitiavako anao, fitia voamadilo,
Tsy afaka ao am-bavako, tsy mety lany tsiro,
Jereko toa tsy ampy, kanefa toa tsy lany...
Raha vao midify ianao dia io aho fa mitady.

Fitiavako anao, fitia pilokely,
Manaikitra kanefa tsy foiko velively,
Tena ankafiziko na mampipenimpenina,
Fitiavako anao, fitia tsy misy nenina.


DadaRabe


Aix-en-Provence
24/05/04 13:45