FITIA TSILOVIM-PENOMANANA

Iriko ny tontolo mba hatolotra anao
Hitadiavako ny mamy homeko hoankafizinao
Handrantovako ny meva, mendrika ny hatsaranao
Hitarafantsika nofy, vazivazy, kilalao...


Hitanao ilay maraina feno embon-katsarana ?
Iny no halaiko izao hiankanjoanao hazavana
Ary vony mamololona sy fanjam-boninkazo
No handravahako anao, raozy kely tsy halazo...


Handokoako voninkazo iny faravodilanitra
Raha mbola mena fify, ary hirahiko haka hanitra
Hatosako ho anao avy ao anaty ony, ny volana misandratra


Irony kintana irony no hotazako, fitambatra
Ho fehezam-boninalina : ho haingon'ny fitiavana
Ifanolorantsika...Fitia tsilovim-penomanana...



Hanitr'Ony

24 Marsa 1995