FITIAVANA TSY AMPY LANJA




Tsy Ankaratra no avo loatra
Fa ny vorona no tsy nihoatra
Ny fitiavana no tsy mandroatra
Ka tsy azo terena hihoatra.

Tsy ny rano no marivo kosa
Fa ny lakana no tsy misosa
Ny fitiavana no tsy miavosa
Tsy afaka fa mbola osa.

Tsy mba miova ny lanitra manga
Fa ny masoandro no tsy mitranga
Ny fitiavana no efa banga
Ka tsy mety manangasanga.

Ny akany dia mbola mitily
Fa ny vorona re no nivily
Ny fitiavana no mikopily
Ka tsy azo tanan-tsavily.

Ny asan-tanana manan'amby
Nefa kosa dia mampitamby
Toy ny volana somambisamby
Alokaloka no mba atamby.


LAL-AINA