FO KAMBOTY

Rahefa midona ny eny Ankaratra
Miontana irery ny fo kamboty
Manembona reny tsy hita taratra
Mahatsiaro ny hanta sy angotingoty

Kanefa tsy ela dia indro tamy
Oram-baventy manao ankaso
Ka e velon-tsento sy mitomany
Lasa fafana ny ranomaso

Tomany tomany kanefa ho aiza
Misotro ny ngidin'ny fahoriana
Embona sisa no mba mitaiza
Misento an'Ikaky sy Neny tiana

Raha vaky tsipelana ny eny Anjafy
Mamony ao anaty ny fahatsiarovana
Kanefa tsy felana mba hanafy
Fa vony nafafin'ny Fahalovana

Toa antson'Ineny ny kotrok'orana
Toa feon'i Dada any lavitra any
Ny atin'ny fo no mangorangorana
Fa maizina antoandro ny eto an-tany

Toro ny vato izay nandiavana
Folaka ny andry mba niankinana
Dia folaka toro koa ilay fitiavana
Lasa zahana ny fahanginana

Maitso manombana Andringitra eny
Fa ny azy ny jaly no atao fioty
Ny olona antra no mba miteny
Veloma indrindra e ry Fo Kamboty.

f-x mahah