FO MIOFO
Amboara miofo sy vony malazomilofika indrisy misento va re ?
ny foko ry lahy mbola heno mivazo
na resin'ny jaly...ny antony ve ?
Ny anton'ny sentoko ve ho lazaiko
mijaly aho kanefa aleoko mangina
na efa milofika ho simba aza ny aiko
tsy ho sahin'ny foko ny handrava ny dina.
Ny jaly no fery manolatra anaty
satry tsy miala hatao fahatsiarovana
toa afo efa vonto kanefa tsy maty
zary tahiry kajiana sy arovana
Angamba any aoriana izy mety hitony
handry ao anatin'ny fanadinoana
ka ny alahelo tsy hanaloka intsony
ary koa tsy hampijaly raha sendra tsaroana
Fa mbola ao ihany ao anatin'ny foko
ireo andro taloha tsy nidify avy hatrany
f'injao mitambolona tsaroako misoko
toa rivo-mitsoaka toa aloka ihany.
Mijaly aho kanefa ....tsy vonon-kiteny
tsy ho sahin'ny foko ny handrava ny dina
misento aho mazàna ?...tsy laviko ireny
fa ny antony kosa ?...aleoko mangina.
f-x mahah