Halako

Mifona aho ry Ray, fa nanjary nankahala
Tsy fahazarako izany, f'Ianao mahalala
Saingy indray mandeha monja sy olona iray
Nampigoka mangidy sady tena nahamay

Miera aho ry Ray, mba avela hankahala
Ahafahako mandrava ireo tsiaro fahaadala
Sary, tantara, hira sy ny hoe zava-nokinasa
Haleviko im-pito mandifotra fa tsinin'ny lasa.

Halako Ray o! tena halako indrindra
Namingana ny foko vao niana-namindra
Ka na ho heloko aza, ho lotoko anaty
Dia ho halako izy, halako mandra-maty.

Mifona Ray ô!

Andamioly
Paris, 26 jolay 2004
01h 22mn