HAMOAKA...
Nahoana izato ianao
Feno sento...
'Ndeha raiso ny andraikitrao
Miantso anao ity tany, ry tontolo,
Misy ny soa izay voaary tsy mandolo
Na ireo aza,...miaina ihany koa; 'ndeha hifanambatra
Hamoaka, hiahy tsy hanolo na hanova fa hanampy hiara-tsambatra.
Ireo zanaka sy taranaka faramandimby ho toy izany hatrany
Amin'izay fotoana izay afaka hanara-bolon'andro tsy ho lany
Tsy hisy intsony angamba haminany amin'iny fotoana iny...
Ho araka ny tokony ho izy, izay tsy faritry ny soriny...
Haranitra ity mavana...
Andry SALOMON