HANINA
Eny antsefatsefany eny,Itantarao ny kantony aho,
Itanisao ny rindram-bolany,
ny tsiky mahavaha ny olany.
Hihira ny filantony aho.
Eny antsefatsefany eny,
anapariaho ny tarany aho.
Andrombino ny salovany,
hamarino ho fahatsiarovany.
Antsoy ho voababony aho.
Eny antsefatsefany eny,
sakambino tanana aho.
Hanampy tosika ny haniny.
Ho akaniko ny akaniny.
Te hifamihina aminy aho.
AINA - 04 Novambra 2002