HANINA NY LASA....
Inona no tazako eto ka itiavako ny anyitsy laka-mihohoka itsy tsy hitondra aiza intsony
ny alina eny anefa koa tsy mba ali-mahatony
fa mitari-pasika avo toa ho antsa mitomany
Ny kintana miriaka soa sy ny volana jerena
e mizara rotsirotsy eny hatrany am-para-lalina
fa ny afoko mandoro tsy ho toninao ry alina
injao mipoaka mahahontsa sy mandrava izay nekena
Ao anaty ihany anefa te-hiloatra ny fitia
te-hanenika ny tany sy ny voahary taka-maso
mahatsiaro sesilany ny fanahy tsy very dia
Sambatry ny alahelo tsy voafaritra mazava
mitambezo ny eritreritra efa sasatra ô andraso
inona no hitako eto ?...sombin-drindrina mivava!...
f-x mahah