Hanitr'Ony

IZA MOA I HANITR'ONY ?

Valiny narindran'i F-X Mahah

Nisy fotoana niheverako fa tsy ilaina amin'ny fahazoana tononkalo iray ny fahalalana ny fiaimpiainan'ny poety nanoratra azy. Raha ny tononkalo toy ireo nosoratan'i Randja Zanamihoatra tokoa no jerena dia tsy mitondra inona loatra amin'ny famakafakana ny tononkalony ny fahalalana ny fiainan'ny mpanoratra. Izay rehetra ilaina amin'ny fahazoana ny tononkalo dia efa voafono ao anatiny avokoa. Raha mamerina mamaky ny tononkalon'Ny Avana sy Rabearivelo kosa anefa avy namadibadika ireo pejy milazalaza ny fiainany avy dia hazava mora foana izay sarotsarotra tao amin'ny tononkalo sasany. Noho io antony io no inoako ankehitriny fa ilaina ny fahalalana ny poety. Modely tsara ny famakafakana nataon'Atoa Régis Rajemisa-Raolison ny tononkalon'i Rabearivelo Fasana faharoa tao amin'ny revio TATAMO laharana faha-12 nivoaka ny volana septambra 1983. Tsy izay filazalazana rehetra anefa akory no afaka hanampy ny mpamaky tononkalo fa misy vao mainka aza mampisavorovoro ny sasany. Araka izany dia hiezahako ny hampisongadina izay tokony hofantarina momba ity poety ho resahintsika eto ity. Tsy iza izany fa Ramatoa Salomon Andriamasinony Josiane fantatra eo amin'ny sahan'ny haisoratra amin'ny solon'anarana Hanitr'Ony.

Poety mbola tanora tokoa izy kanefa dia azo lazaina fa efa nandia lalan-davitra teo amin'ny sahan'ny haisoratra satria vao sivy taona izy no nanomboka nanoratra.

Ny fiaviany sy ny zava-kanto.

Tao Antananarivo no nahaterahany tamin'ny 18 marsa 1979. Mianadahy izy no zanak'i Salomon Andriamparanony Roger sy Rahelinantoanina M.J.F.A. Izy no zandriny ka ny zokiny Salomon Andrianantoanina Christian na Andry Salomon dia mpanankanto ary poety ho resahintsika eto amin'ity sehatra ity koa atsy ho atsy satria isan'ireo folo nanangana ny sampana UPEM Havatsa-Frantsa..

Ny Ray aman-dReniny dia samy mpanakanto sy mpihira ary mpamoron-kira efa fantatra eran'i Madagasikara hatraty ivelany aty aza amin'ny alalan'ny tarika Sorajavona.

Raha manao indray mijery ny tetiaran'ny fianakaviany isika dia hahita fa fianakaviana nitandro sy nandova ny fitiavana zava-kanto no nipoiran'i Hanitr'Ony satria ny Reniben'ny renibeny dia isan'ireo mpitendry valiha tao Manjakamiadana fahizany. Ny raibeny avy amin'ny reniny dia mpikabary sy mpitendry zava-maneno ary mpilalao teatra, ny renibeny avy amin'ny reniny dia mpihira (Jer. Valiha en Balade, Doné Andriambaliha). Dia mbola io fianakaviana io ihany koa no ahitantsika ny anaran'i Jean-Verdi Salomon Razakandraina izay tsy zoviana fa fantatry ny be sy ny maro amin'ny solonan'anarana DOX raibeny avy amin'ny rainy.

Hitantsika araka izany avy hatrany fa nilona tao anatin'ny zava-kanto i Hanitr'Ony ka tsy mahagaga ny fifohazan'ny talentany maraina dia maraina. Dia azo lazaina fa zanak'omby tsy ampianarin-domano tokoa izy.

Samy nandovan'i Hanitr'Ony avokoa ny talentan'ny mpanakanto tao amin'ny fianakaviany fa nisarika azy na ny soratra na ny hoso-doko, izay nanavanana an'i DOX raibeny rahateo koa, na ny zava-maneno (ny gitara no tena manavanana azy) na ny dihy (nampianatra dihy izy fony mbola tany Madagasikara). Vao niana-nandeha izy dia nianatra nandihy. Vao nahay nanoratra dia ny nanolotra tononkalo ho an'ny ankohonany no fifaliany.

Ny fahazazany sy ny zava-kanto.

Hoy indrindra i Hanitr'Ony mitantara ny fahazazany : "Teo Ambodinisotry no nihalehibe aho hatramin'ny faha-sivy taonako. Tao dia ny mozika no tena nitaiza ahy. Nifanerasera tamin'artista maro Malagasy sy Vahiny niara-niasa tamin'i Dada sy i Neny. Teny Beravina Avarabohitra izahay no nipetraka tamin'ny fotoana tena nanombohako nanoratra, nipololotra ny aingam-panahy. Mandehandeha bisikilety eny am-pitan'ny tanimbary sy ny heniheny izahay ary indraindray mandeha eny an-tsaha na manjono."

Avy eo dia nifindra teo Sahalemaka, Ambaniala, izy ireo ka toy izao no fitantaran'i Hanitr'Ony : "Raha nanohy ny fianarako tany Ivontovorona aho dia teo Sahalemaka indray no nipetraka izahay, saingy efa tsy dia nonina tao aho satria nipetraka teny Ivontovorona noho ny fianarana nataoko momba ny elektronika natoko tao amin'ny ESPA (Ecole supérieure Polytechnique d'Antananarivo), ny tontoloko teny dia ny tendrombohitra, ny lohasaha sy havoana, ny bibilava manapa-bozaka, ny fahanginanana, ankoatra ny namana, ny fianarana, ary ilay tany mena manara-damba ka nahafantarana anay dieny avy lavitra rehefa maka vatsim-pianarana eny Ankatso hoe ireny ny "Poly". Mitsangantsangana matetika izahay tany ary misy farihy lehibe izay tena mahafinaritra tokoa fialana voly rehefa vita fanadinana. Ny tambanivolo no fahita isan'andro ankoatra ny mpianatra sy ny mpampianatra."
Ankehitriny kosa dia ao Andoharanofotsy no misy ny fonenany any Madagasikara.

Ireto avy no sekoly nianarany :

Ecole Providence Amparibe 1983-1989
Kolejin'i Maria Manjaka Adohalo 1989-1993
Kolejy Masina Misely Amparibe 1993-1996
ESPA (Ecole supérieure Polytechnique d'Antananarivo) Anjerimanontolon' Antananarivo, nanomboka tamin'ny taona 1996 ka nahazoany ny diploma maha-injeniera azy tamin'ny taona 2002 .


Ny tena nanombohany nanoratra;


Matetika ny talenta ananan'ny ankizy no tsy maharitra fa ny an'i Hanitr'Ony kosa dia niara-nitombo taminy ny fitiavany manoratra, dihy ary mozika. Niditra ho mpikambana tao amin'ny Sandratra izy ary niantsa ny tononkalony voalohany tamin'ny taona 1993. Tsy nionona tamin'ny talenta anefa izy fa nanararaotra izay rehetra mety hampitombo ny fahalalany ny teny Malagasy sy ny fomba fanoratana. Dia nanaraka ny fiofanana literera momba ny haisoratra sy ny fomba fanoratana Ranto 95 nokarakarain'ny Akademia Malagasy izy tamin'ny taona 1995. Namoaka asa soratra tamin'ny gazety samihafa izy : Tribune, Midi Madagasikara, Ny Gazetiko, Akama...Tamin'ny fankalazana ny faha-45 taonan'ny UPEM, taona nilatsahany ho mpikambana tao koa, no namoahany ny "Felan-tatamo : Bitsik'Ony" Ny tononkalo tao anatin'io boky kely io sy izay tao amin'ny Santa-bokatra navoakan'ireo nanorina ny sampana UPEM-Havatsa Frantsa no nampiasaina tamin'ity fanadihadiana ity. Tsy nionona tamin'ny famoahana tononkalo tamin'ny gazety ihany anefa I Hanitr'Ony fa nisy tamin'ireo sorany no novakiana tamin'ny onjam-peo na novakiny an-kalamanjana. Tamin'ny taona 2004 izy no isan'ireo mpanomana ny fananganana ny sampana UPEM-Havatsa Frantsa.

HANITR'ONY sy ny fiainanana andavanandro.

Raha nanoratra lahatsoratra momba an'i Rado tao amin'ny revio iray teto Frantsa aho dia nafantoko tamin'ny fifandraisan'ny poety sy ny olona isanandro (ny izaho isanandro araka ny tenin' DOX) ny fandinihako. Tsy azo sarahana ireo raha tiana ny tena hahafantatra tsara ny poety fantatra amin'ny solon'anarana RADO. Tsy ny fitiavany ny teny Malagasy ihany no maha-te hidera raha maminavina ny fiainan'i Hanitr'Ony fa ny risi-pony (afangaroko ao amin'io teny io izay lazaina amin'ny teny frantsay hoe volonté sy enthousisme) hizara izany fitiavana izany indrindra koa. Izay sekoly nolalovany rehetra fony izy tany Madagasikara dia namelany fahatsiarovana mifandray amin'ny fitiavany ny teny Malagasy. Tsy ho voatanisa eto daholo ireny fa vitsivitsy monja ihany no ohatra ho raisiko. Toy ny "Antsan-tononkalo miaraka amin'ny kabary sy hainteny natao tao amin'ny Kolejy Saint-Michel tao Amparibe ny volana aprily 1995, ny antsan-tononkalo "Bitsiky ny Fo" teny amin'ny Sekoly Polyteknika teny Ivontovorona ka nitarika ny fananganana ny Fikambann'ny Mpanoratra Polyteknisiana tao. Mbola io risi-po ananany io ihany koa no hitako taminy raha nanangana ny sampana UPEM-Havatsa teto Frantsa izahay tamin'ny taona 2004.

Hita ao amin'ny asa soratr'I Hanitr'Ony ny taratr'io risi-po ananany io.

Ny foto-kevitra raketin'ny tononkalony.

Ankoatry ny fitiavana, ny embona sy hanina izay fahita amin'ny soratrin'ny ankamaroan'ny poety Malagasy dia ny tena misongadina amin'ny lohatenin'ireo tononkalo nosoratan'i Hanitr'Ony hatramin'izao dia ny ftiavana sy fanindrahindrana ny tanindrazana, tenin-drazana ary ny Kanto. Hita ao amin'ny sorany fa toa iray ihany ireo zavatra telo ireo fa samy ioronan'ny fitiavany. Raha mamaky ny tononkalo mitondra ny lohateny hoe Misy ampitso dia hita fa anisan'ny loha hevitra mahaliana an'i Hanitr'Ony koa ny Fanantenana.

Ny fomba fanoratra.

Na dia nilaza aza I Hanitr'Ony fa tsy dia nisy mpanoratra nalainy tahaka teny am-piandohana dia tsikaritra avy hatrany ny fomba fanoratr'i Dox indrindra amin'ireo soneta toy ny "Malagasy, Tenindrazako", "Embona" "Nofy adaladalako" "Gadona". Izay ahitana koa fa mahafehy tsara ny fomba fanoratana io endri-tononkalo io izy. Tsy ny endri-tsoratra ihany no ahitana ny fampianaran'i Dox fa ny fifidianana ny teny ampiasaina koa sy ny fanambarana azy hanjary dihy sy mozika ary hoso-doko. Tsara ho marihina eto angamba fa herintaona talohan'ny nahaterahan'i Hanitr'Ony no nodimandry DOX (12 jiona 1978) ary nilaza rahateo izy sy ny manodidina azy fa efa ela taty aoriana mihitsy izy vao nanomboka namaky sy nankafy ny asa soratry ny raibeny. Raha ny tononkalo toy ny "Samy tsy mba mety foiko, Samy tsy mba hadinoiko," na ny "Voajono" no raisina dia ahitana endrik'hain-teny.

Ho entiko mamarana ity tantara mbola mitohy ity dia ity tononkalo izay mampifangaro ny dihy ny mozika ary ny hosodoko ity: :


GADONA

Misy gadona famindra
Mahasarika mpijery
Ratsambatana mirindra
Amin'ny hatsarana miery...

Tsiky, hehy sa hafaliana
Izany asandratrao izany ?...
Mandrindra sary mahavariana
Amin'ny lanitra sy tany !

Izany hery vory elatra
Feno ny hatanorana,
Toa hitako ao indray mielatra....

Serintseriny sy hana
Fa voasintonao tanteraka,
Ka ny soratra no teraka

Hanitr'Ony
24 jona 1997