HAODY
HaodyRy zareo
Kaody
Farim-peo
Mandre
Ny koràna
Fety be
Filibàna !
Mitanina
Afo ;
Hanina
Lafo
No abosaka
An-dovia :
Mitosaka
Ny fy
Na laoka
Na vary,
Toaka
Sy mokary.
Hadinoina
Ny tontolo
Tsy henoina
Ny voavolo
Voahataka
Tomany
Tsy mandrapaka
Androany !
Vasoka
Ny boto,
Tsy mipasoka
Maloto
Ny akanjo ;
Ny tarehy
Sy ny ranjo
Aoka re :
Tsy mety
Voadio
Na fety
Aza anio !
Tsy misy
Fialofana
Indrisy
Ny irakofana :
Dia gonin-
Tsakafo
Tao ambony
Dabam-pako.
Haody
Kanefa
Kaody
Te hilefa :
Miseho
Ny elanelany ...
KA ALEO
ETY IVELANY !
Tsy misy
Anenenana,
Indrisy
Fiverenana
No hany
Fanafody !
(...)
Tsy tomany
Antso tody
No hahafahana
Miady
Hamoàhana
Vavahady
Fandresena,
Fa asa
Sesehena,
Fo voasasa
Sy finoana ...
Hahatonga
Ilay fotoana
Mahadonga
Ny tontolon'
Ny rehetra
Tsara volo
Sy toetra.
Amin'izay
Ny olo-maro
Dia hahay
Mifangaro
Hampiantrano
Mpivahiny
Mila rano
Aman-tsiny ...
... MPIANAKAVY
NO HITSENA
IREO MIANGAVY
FAMONJENA !
Toetra RAJA
30 desambra 2003