HARIVARIVA AN-TANIN'OLONA

Amin'ny ora toy izao mahafeno ny diavolana
lasa ihany ny vinany manontany ny any ho any
dia ny fenomanan-dasa tsy mba nisy petraka olana
hamadika ny vetsovetso ka hisaina sesilany

Moa ny diavolana any mbola toy ilay omaly
nilalaovanay ny hanta nampariakan'ny hariva
moa ny antsan'ny zatovo mbola heno mifamaly
handimby ako an'alinkely ny fanginan'ny antsiva

Eto ny diavolan-kanto mitondra embona hafahafa
tsiaro otriky ny ela zary mampihidy vazana
Eto ny diavolan-kanto raha sendra ka mitafa
eny iky ny alahelo no tsaroana fa marivo
raha sendra misy manontany ilay diavolan'Iarivo
Eny ny ora manadiva no tian-kodiana an-Tanindrazana.

f-x mahah