HATRAMIN'NY NAHALALAKO ANAO !



Hatramin'ny nahalalako anao...

Dia niova ny tontoloko, niova ny marainako ;
Niova ny fisainako, niova koa ny fiainako ;
Niova ny angolako s'ireny tambitambiko ;
Niova ny masoandro sy ny endriky ny lanitro ;

Niova ihany koa ireo voahary nojereko ;
Niova ny lalàna sy ny didy izay nekeko ;
Niova anie ny làlana sy faritra nodiaviko ;
Niova koa ny kanto sy ny zavatra notiaviko ;

Niova ny fahazarako s'ireny fombafombako ;
Niova ny fandrindrako ny asa izay natomboko ;
Niova ny fandahatro ny ora sy ny andro ;
Niova ny famantatro ny hariva sy ny antoandro ;

Niova ny fijeriko ny manodidina ahy ;
Niova ny fandiniky ny foko sy fanahy ;
Niova ny famaritro ny mety sy voarara ;
Niova ny fandraisako ny ratsy sy ny tsara ;

Niova hatramin'ny fototry ny sorisorin-tsaiko ;
Niova ireo mamizana sy mankarary ny aiko ;
Niova ny tantarako s'izay rehetra amiko ;
Niova ny anjarako... ianao no lasa mamiko !

...Hatramin'ny nahalalako anao !


DadaRabe

Marseille
01/08/02 14 :40