HIRAN'NY FANAHY
Atolotro ho an'i I.P.A.
Mitambolimbolina ny hanitry ny tsiahy midodo mikoriana
Manaraka ny moron'ny vony mifamelan'ny fotoana tiana
Manemitra vololona sy fanja sy solofo sy felana baliaka
Otazan'ny fitiavana, ny onin'ny fanahy manonja sy sariaka.
Dia mivolon-tsiky manofaofa taratra maharevo ny mpijery,
Avy eo mitsongo dia, mameno ny eritreritra rehefa manirery.
Dia indreny lakam-bony misosa ambonin'ny ony trotroin'ny nofinofy
Hanakatra ny lanitra, moa ho ampy intsony izao ny kinta-miavosa
Anaty maizim-bolana tsenain'ny famiratany ?...Avia anie tohofy
Ny angolan'ny fanahy mivimbina azy ireny ! dia lavitra ny ho osa...
Mihoatra irony voa notazana fahiny ny loko sy ny hakantony
Tovozin-toa tsy takatra, zohina toa tsy tratra, nefa mamin'ny fanahy
Mamerovero fatratra, manjohy toa fahanginana sy ambiroa tsy nahy...
Fa manga sady tiana ny hiran'ny fanahy sy ny filantolantony.
Hanitr'Ony
Martsa 2002