HO TOJO ENDRIKA IZY...
Raha ho velon'ny ampitso ilay anaran'olon-tianiandrandra fanaperana ary toa nahita izany
teo an'endrikao lalaina ka vetsoiny sy zahany
dia ho tsaroany koa ianao sy ho raiketiny doria.
Ho tadiaviny ianao any an'eritreriny any
ary angamba ho tojo sary miramirana fanahy
toy ny rindran-dohataona ny finiavany am'izany
ary ho tia ny mendrika izy handravahany tsiahy
Am'izay ity hira ity tsy ho afaka eo am-bavany
hisantarany hosodoko ary ho toy ny solom-bavany
hizahany ilay anjely izay nametra ny fingadony
Eny ho tojo endrika izy ka ho mirana any am-pony
angamba aza ny endrikao noravàna hamelom-bony
no ho sendra ny fanahiny ary ho endriky ny radony.
f-x mahah