IANAO...

Tazaniko ny hariva sy fara-vodilanitra,
Ny voninkazo manitra...
Ianao no tsinjoko eny!

Henoiko ireny vorona misioka tsy miato,
Mivazo tena kanto...
Ianao no henoko eo !

Izay rehetra misy, miserana anoloako
Dia lasa feno loko...
Miloko ny endrikao !

Tsy misy intsony izaho fa efa... ianao
No miaina anatiko ao...
Feno anao ny fiainako !

DadaRabe
Aix-en-Provence
25/12/03