"ILOM-PAHAZAVANA."
Dray ireto vokatrao.Ry endriky ny bikan-jazavavy,
Ireo izay hitanao am'izao tsy nandao
Ny asa tananao; kay...nitohy ary hoavy.
Tsy mba very ny efa kanefa mbola io
Mandroso be ny fandrosoana,...fanatontoloana,
Ny tao koa ...toa, tsy nihararetra tena ilo.
"Ny lanjanao atrakao,...misaotra sahady tsy hanafoana,
Ny maha-ianao anao."
Andry SALOMON
06 Desambra2004