INDRAY ANDRO TAO AN'ALA
Indray andro...Voababon'ny hakanto dia nanantona hioty
Ka ninia tsy nandre ireo feom-boronkely
Ao an'ala manambara fa mbola tsy matotra tsy fioty
Ilay voninkazo andrandraina fa mba mahareta kely
Ianao...
Dia nanongotra, tsy tàna, tsy nahandry lohataona
Ilay fitiavako vao nitsiry mbola tanora tsy ampy taona
Nivoady fa hampakatra rehefa tonga ny fahavaratra
Nisafidy ny hikolo sy hiaro tsy ho simban'oram-baratra
...Tao an'ala
Nifandimby teny ny andro ary dia tonga ny fararano
Niandry maina 'reo biby an'ala izay niangaviana hitso-drano
Voromailala no nirahina mba hitsidika ny maraina
Ranomaso no nandimby ilay fifaliana nantenaina
...Ilay nolalaina
dia nandrava tsy nisy fiangarana ity fitiavana efa matotra
dia nafoy, tsy tiana intsony nefa ilay oty efa voafatotra
dia nampandre ny tao an'ala nony antomotra ny ririnina
nanambara fa any an-tsaha efa misy olon-kafa hofihinina
Rajaonarivelo Lalatiana S.
1 Jolay 2004