INTSONY
Porofo :Miantso izy, fa
Tsy ny anarako intsony
Mihaino izy, fa
Ny resako ihany no hamavoiny
Ohatra:
Manangana izy, fa
Hiafarany sy iny olona iny
Mandrava izy, fa
Ny fifankatiavanay feno tsiny (hono)
Manondraka izy, fa
Felana hafa no mamony
Mioty izy, fa
Nofidiany tsara izay ambony
Hany hery dia ...
Manafatra izy, fa
Veloma hono antsoiny
Mitia izy, fa
Ny fony tsy any intsony.
Andamioly
Nîmes, 03 jolay 2004
11ora : 44 mn