IZA ?
Iza no tsy nilaza fa tsy hahavita zavatra'zay nitondra rehetra sy ny olom-boafidy,
kanefa jereo ary mbola aiza no mifatratra
ny fiainam-bahoaka raha hoe sarobidy ?
Iza no tsy nilaza fa tsy hahavita an'itsy
Na an'izao rehefa tonga amin'ny tanjona,
Kanefa nahoana no toa tsy hita mihitsy,
Niova ho olon-kafa sy tia nianjonanjona ?
Iza no tsy nilaza fa tsy tia olanolana
Mamatotra ombieny an'ity Gasikara ;
Kanefa nahoana no toa niholantrolana
Rehefa mba nasaina nitady ny tsara ?
Iza no tsy nilaza fa tsy hitondra avo
Ny haja sy hasin'ity tanindrazana,
Kanefa dia aiza fa toa manjavozavo
No iainana hatrany sy mbola otazana ?
Iza no tsy nilaza fa tsy tia firenena
Ireo nikatsaka lava izay hampandroso,
Kanefa ary ahoana no mampahonena
'Reto olona maro mitady ny loso ?
Fredy JAOFERA