IZAHO HONO....

Izaho hono tsy mikalo ny fikalon'ny rehetra
fa mihitsoka ao an-dalin'ny fitia mamelovelo
izaho hono tsy mba miady hanohitra ny herisetra
fa toa resy ambony ihany efa isan'ny avelo.

Raha ekeny anie ny Nosy fa ianao lalainy ihany
no kaloiko ho hany tiako amin'ny endri-tsamihafa
antsoiko Noro na Sahondra ka zahako hatrany hatrany
angamba izy tsy hanakiana ny fomba entiko mitafa.

Raha mamoko anie ny foko tsy handre izay mitàny
fahoriana fanosena famadihan-Tanindrazana
satria inoako fa tsy teny no hanorenana ny ankany

Tsy mahay mampiasa fiteny norangitina aho
ny halavolo, sy ny hiaka hanako an-tany ngazana
fa mainka hisavorovoro ny hevitra efa mifamaho.

f-x mahah