IZAY HO ANJARAKO
Eny fa raha mbola misy koa ny "maraina"Tsy ho foana tsy akory ny fanantenako
Toy ny voninkazo kanto ao an-jaridaina
Hahababo ny fon'izay tena ho anjarako
Inoako fa any ho any misy natokanao ho ahy
Ry Ray be fitiavana ary Izaho tsy hiahiahy
Fa tsy misy diso anjara raha mbola eto an-tany
Tafio faharetana aho hatoky Anao hatrany
Aoka Ianao ry Mpahary no ho tompon'ny safidy
Ianao koa no hanendry ilay fotoana sarobidy
Hitsirian'ilay fitiavana mampiray olon-droa
Fitiavana avy aminao izay tsy manam-paharoa
Tsy ho angano na arira na hoe tantara fotsiny ihany
Fa haharitra tokoa mandra-piala eto an-tany
Arovy ilay tanteliko tsy ho diso voninkazo
Ny lalanay tahio hifanojo soa aman-tsara
Rajaonarivelo Lalatiana S.
Mai 2004