LANITRA FAHA-7

- Enga anie ity faniriako mba ho tanteraka :
«Any amin'ny lanitra fahafito isika no hipetrapetraka».
- Raha vao tonga ianao ry tiako, izaho tsy mba ho reraka fa

Nivezivezy tetsy sy teroa nikaroka izay hoe mba hahasoa
Izay hita tsy nisy naha-afa-po, nangaina sady narary an-doha!
Nefa kosa raha vao nahita anao dia izao no mba hirako vaovao:

B.R. 2001