LASA IANAO

Lasa ianao niantsinanana
Voatery fa tsy manana.
Lasa ianao nianandrefana
Hitady vola hitady entana ...
Dia lasa nianavaratra
Any angamba hahasambatra?
Avy eo dia nianantsimo indray
Ka farany hadinonao 'zahay ...

Marobe ny toa anao
Mihevitra fa hoe hahita fiainam-baovao,
Dia mandeha an-tanàn-dehibe
Nefa anie iaraha-mahita :
Marobe ny tsy tafita,
Zara raha miakanjo, zara raha misakafo
Ka ny iafarany mitsindroka fako !
B.R. Desambra 2004