LISY MAINA
Asehoko an'i P.Nataoko f'hivelatra mandava-taona
Ireo lisy namiratra kanto aok'izany
Naharevo ny maso ary koa toa mitaona
Ny fo hanadino ny lontin'ny tany
Natao tsy ho lefy fa hisy hamboloina
Handraraka hatrany amin'ny aty fanahy
Hametraka dindo tsy maty vonoina
Ho emboka hanony ny ora manahy
Kinanjo niondrika ho loko misaona
Tsy nisy hateloana dia efa nivaona
Ny taho nampijoro ny hanitra soa
Moa ny fitiavana torak'izany
Hoe mandra-maty fa lasana ihany
Mandalo ny eto Mandalo avokoa
F-X Mahah
13-12-2001