LOKILOKY
| Andro hariva
Tsisy olana Efa hadiva Diavolana, An-kodimiran' Arabe, Miramirana Tarehy Izato ianao Lokiloky Milalao Tsy mety voky Sy tsy tola Fa vao mainka Miangola Sy milaika. Sarin-teny No lalao Izy ireny No atao Mampiontana Fanahy Manamontsana Ahiahy. Lokiloky Ho'aho ianao : Tena toky Tsotra izao; Misamonta Koa ny foko Ka miatonta Ny toloko, Ny endri-tava Dia midika Fa mazava Ny amintsika. | "Ny ora ito
Tsy voatàna - Amin'ny fito - Ka faingàna Re indrisy Hifandao Fa tsy hisy Azo atao." "Rahampitso Raha toa Tsy hahadiso Fa hahasoa : Moa mety Raha mihaona Vetivety, Sa ahoana ? " Ny varavarana Efa akaiky, Ka iarahana Manaiky Fa ilaina Koa ny alina Hampisaina Zava-dalina. Toetra RAJA 10 novambra 2004 |