MANOFISA IZATSY IZY
MISINKINA IZATSY IZY !
Ny hoavinao zatovo,
Aza ananana ahiahy,
Fa hisy hery, hisy angovo,
Ka ny saina, fo, fanahy
Dia handrobona izaitsizy,
Hamololona aok'izany...
Misinkina izatsy izy,
Aza rendrika ambinany...
Fa ny hoavinao, zatovo,
Tsy ahiana fa hanovo
Hery tena vaovao...
Dia hitrebona amin'ny tany,
Ka mazava ny hiafarany...
NGEZALAHY TSOTRA IZAO !!!
Metz, Faha-27 Oktobra 2002
Dédé SORAJAVONA
Ho an'i Andry Zanako Malala
Setriny :
MANOFISA IZATSY IZY !
Amiko dia ny vinany
Sy ny nofinofy ihany
No tsy hahavery ny hoavy,
Lohataonan'aviavy
Ka ny rantsany ranjanana
No itetezanao ny lalana
Anakaranao ny voany
Isikinana eny ambony,
Fa tsy ahiana tsy hahatovo
Izato herinao sy angovo
Ny firendrehanao vinany
Tanteraho kosa anefa,
Mba hitoetra ka ho efa
Ireny nofinofy mamy...
Paris, faha-29 Janoary 2003
Hanitr'Ony
Ho an'i Andry Zokiko Malala, ho setrin'ny tononkalon'I Dada : "Misinkina izatsy izy"