Misy toera-mahagaga...
Misy toera-mahagaga fa misintona olo-maroToa mandraraka any am-pony fitiavana hifangaro
Hifampitsiky hifampizara fiontana-mahatony
Eritreritra naronjim-paran'onjan'ny tomany
Misy toeran-toy itony ivondronan'ny tantara
Hamakina indray mitopy irony pejy mamararan'
Ny omaly nisaliana rovi-dambam-pahoriana
Sy nanoritra ny tava alo-ketrona hakiviana
Itsy sarin'ny Fitia mihantsy lanitra tsy resy
Mifantoka eo ny fijerin'olo-maro mifanesy
Toa hamaoka ny tsiaro nahaoriory anaty
Toa hamafy ho enika eny hasambara-tsy ho faty
Eto tsinjo maharavo tana-maro mifandray
Endrika mitsikitsiky ary fo mitepo ho iray
Fiaraham-betivety nefa dia mamela ho kanto
Fahatsiarovana tsy lefin'ny fotoana misahato.
Ny alina eto ali-manga ahatsiarovana an'Iarivo
Toa vilory soa mivelatra hitanty kintana an'arivo
Mahaseriny fanahy toa manasa anao hanainga
Hitodika ilay Nosy mamy any am-badiky ny bainga
Picadilly Circus 5 desambra 2004