... niriny

Fitiavana nindramina
Efa vasoka sy lao
Mbola vao halamina
No indro sendra anao.

Fitiavana tsy ahy
Fa halaina an-tsokosoko
Hahavaky ny fanahy
Saingy hampitony ny toloko

Fitiavana adala tompo
Natositosika fa botry
Nanjary zatra ny nanompo
Niandrandra foana rotsirotsy

Fitiavana nananako fahiny
Fony mbola tsisy tsiny
No sendra olo-nivahiny
Tsy foy na dia efa nariany

Hiangaviako iny olon'iny
Avereno, mba hisy hifaliany
Sao io ilay fitiavana niriny
Sa aleo hiaina ny fara-fijaliany ?

Andamioly
01h : 16mn
29/06/2004