NY FITIAVANA HIROSO


Tsinam-bolan'ny ririnina
miova loko...
mihitsam-pelan-tsy tohinina;
avy ny oram-pararano!

Dia nandroso ny fotoana,
Ka nirakotra, nandrakotra!
Miboridan-tsy voatery ny hazo rehetra manoloana.

Mandrava sarotra!
Mizaha fototra...
Mamaha, vahy!
Mahasitrana, mijoro hatrany foana sy miahy ;
Koa aoka tsy hiahotra.

Na dia malama, ny erika mifafy.
Tsy misy mitamatama...
Hanasa ka hoe: hiafy!
Misy ny kinendry alao hery... 'ndeha hioty sy hamafy!


Andry SALOMON

19/10/2004, ALES