NY HAFATRA TIAKO HAMBARA


Ny hafatra tiako hambara,
Ry sombinaiko malala
Manatòna ka mba mianara
Ireo voronkely ao an'ala.

Ny hafatra tiako hambara,
Ny saiko dia sahy minia,
N'iza n'iza handrara,
Ny antsika efa vita sonia.

Ny hafatra tiako hambara,
Aminao olon-tiana,
Ny foko tsy tiako hizara,
Fa voatokana ho anao re ry tiana.

Ny hafatra tiako hambara,
Ny fitiavako tsy tiako hizara
Satria efa vita sonia,
Raiso ary matokia.

Ny hafatra tiako hambara,
Ho ren'ilay havako tsara,
Manafatra tsy hitomany
Raha saraka, lavitra any.

Ny hafatra tiako hambara,
No an'izay havako izay,
Fitiavako tsy misy fara
Ho azy ho mandrakizay.

Ny hafatra tiako hambara,
Sakaiza malala rehetra
Kendreo ho tsara miafara,
Ho tonga ny fo tsy hitsetra.

Ny hafatra tiako hambara
Ho an'ilay raozy tanora,
'Ty fofona manitra tsara
Tandremo sao lefy matsora.

Ka ny hany fara teny
Dia masìna,
Sarak'olona manjeny
Ka mangina.

Dia veloma sy masìna
Ry malala
Tadidio re ny dina
Tsy hiala.


LAL-AINA